Ny tazo moka dia aretina azo avy amin'ny katsentsitra entin'ny moka vavy Anopheles, izay mamindra izany amin'ny olombelona amin'ny alalan'ny kaikitra. Raha toa ka misy fanaviana, mangovitra, fanaintainana amin'ny faritra manodidina ny kibo, aretina an-doha, na mahatsiaro reraka sy malemilemy, tsy misy aina firy, ny olona iray, dia tokony hanantona haingana ny tobim-pitsaboana akaiky indrindra. Tandremo fa mety hiantraika mafy kokoa amin'ny zazamena sy ny zazakely ny tazo moka. Ny fomba mora indrindra itandrovan-tena tsy ho voan'ny tazo dia ny miezaka ny tsy ho voakaikitry ny moka. Inty horonan-tsarimihetsika inty dia manoro fomba mahomby maromaro iarovana ny tena tsy ho voan'ny tazo moka sy andiovana ara-dalana ny trano sy ny tokontany mba hialana amin'ny kaikitry ny moka.