Aretina azo sitranina tsara ny tiberkilaozy raha manaraka ireo lamina fitsaboana omen’ny dokotera ianao. Raha tsy voasitrana tsara ny Tiberkilaozy, lasa manohitra ireo fanafody ampiasaina amin’ny fitsaboana ny bakterian’ny TB. Rehefa mahatohitra ny karazana fanafody ny bakteria, dia Tiberkilaozy mahatohitra karazam-panafody (MDR-TB)no ilazana azy. Ny fitsaboana ny MDR-TB dia ilana karazana antibiotika atao hoe antibioktika tsipika-faharoa. Ireo fanafody ireo dia miova arak any faharetana ary misy fiantraikany ratsy, nefa ilaina izy ireo hitsabona ny MDR-TB. Miaraha miasa akaiky amin’ny dokotera na ireo mpitsabo akaiky anao mba hanamboatra lamina ary araho izany.

Collections